Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Clip "faniriako tsotra izao" Ny FANILO https://www.youtube.com/watch?v=Hz7zNYkhb2s

.

Clip "inty aho Tompo" Fara Andriamamonjy http://www.dailymotion.com/video/xaymdj_inty-aho-tompo-fara-andriamamonjy-h_music

.

Clip "Maniry mafy Anao" Eglise MRE https://www.youtube.com/watch?v=lgxtNBMqF2c

.

Clip "fohazo ny foko" Rija Rasolondraibe https://www.youtube.com/watch?v=zxxfCxPZ-Zs

.

"Ary ny fanahin'i Jehovah hitoetra ao aminy, Dia ny Fanahin'ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina; Ny Fanahin'ny fanoloran-tsaina sy ny faherezana; Ny Fanahin'ny fahalalana sy ny fahatahorana an'i Jehovah. " ISAIA 11/2

.

"Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra.... "

Asan'ny Apostoly 2:4

.

Miarahaba antsika rehetra nahatratra izao andro "Pentekositra " eo @ Tantaram-piangonana ! Teo @Ny "Pentekositra " no teraka ny Fiangonana kristiana voalohany izay nahorina t@ alalan'ireo Apostoly.

Tsara ihany ho fantatsika Ny tantaram-pamonjena voasoratra ao @ baiboly mba tsy ho voarebirebin'ireo lovan-tsofina mandainga isika. Ny hoe Fiangonana kristiana voalohany dia tsy ny antokom-pivavahana katolika araky ny fampianaran'ny sasany akory, fa Fiangonana kristiana izay mihitsy no anarany ! Fiangonana kristiana (izany hoe an'i Jesoa Kristy) nahorin'ireo Apostoly.

I Jesoa dia nanafatra an'ireo Apostoly mialohan'ny niakarany tany any an-danitra mba tsy hijanona ao Jerosalema izy ireo mandram-panafiana azy ireo Hery avy @Fanahy Masina.

Asan'ny Apostoly 1:4,5

"Ary raha niara-niangona teo aminy Jesosy, dia namepetra azy tsy hiala any Jerosalema, fa hiandry ny teny fikasan'ny Ray, izay efa renareo tamiko, hoy Izy; 5 fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy."

Mitohy @ity Asan'ny Apostoly toko voalohany ity ny tantara, rehefa nakarina ho any an-danitra Jesoa (eo @Andininy 8)... Jesoa koa dia nanambara mazava fa @ fotoana milatsaka @ olombelona ny Fanahy Masina dia manjary mahazo "HERY " ilay olona, tsy Hery araka ny fisainan'olombelona anefa fa tena Herin'Andriamanitra (Hery "supernaturel" ) satria Ny Fanahy Masina dia tsy iza fa Andriamanitra ihany.

Asa 1:8 "Fa hahazo hery hianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."

=> Io "HERY " azontsika io no manjary mipoitra @ fiainantsika ho ren'ny tany amam'honina fa Zanak'Andriamanitra isika, Ny Fanahy Masina mantsy dia tombokase apetak'Andriamanitra @ zanany mba hihavahan'ny olony @ olon'ny satana.

"Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra." Romana 8:14

.

=> Noho izany, zava-dehibe dia zava-dehibe tokoa ny Batisan'ny Fanahy Masina eo @ fiainan'ny mpino kristiana iray raha toa mangetaheta ny hovonjena marina izy. Satria Hery lehibe sady marika ahafantarana ny maha-zanak'Andriamanitra ! Tena "possible" koa mantsy ny hoe misalotra ny anarana kristiana saingy tsy voapetaka tombokase avy @ Fanahy Masina.

Ianao io izao mba ahoana ?

Tadidio koa mantsy fa tsy Ny Anaram-piangonana misy anao, tsy ny asa fanompoana ataonao izao (na titre ho entinao) no handovanao ny Fanjakan'Ny lanitra fa ny any hojerevan'Ny Tompo aminao rahatrizay dia ilay marika voapetaka aminao dia Ny Fanahy Masina.

Ny olombelona tsirairay dia samy manana ny marika mipetaka eny aminy, fa ny sasany mety tsy mbola tonga saina ! Satria eto @ ity izao tontolo izao ity tsy misy hafa tsy Fanahy roa: Fanahy Masina (Andriamanitra izany), na fanahy ratsy (satana ilay fanahin'ny fahaverezana izany).

.

Ka @ fomba ahoana moa no ahazoana mamaritra hoe Fanahy inona no mahazo laka ao aminao ? Ny marina dia ao anatintsika ilay Fanahy. Ka izay no mahatonga ilay fitenenana hoe: "tsara fanahy " na "ratsy fanahy" !

Izany hoe @alalan'Ny asa ataontsika @andavanandrom-piainantsika no ahafahantsika mamaritra raha tarihin'ny Fanahy Masin'Andriamanitra isika na tarihin'ny Fanahy mamitaka !

.

Izao nefa, tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina ihany no hahazoantsika miditra Ny Fanjakan'Andriamanitra rahatrizay hoantsika izay maniry Fiainan-danitra. Tsy misy afa-tsy ny Fanahy Masina irery ihany koa no hahafahantsika manao ny sitrapon'Andriamanitra (fahatsarana) ety @ izao fiainana izao izany hoe mila tarihin'ny Fanahy Masina.

Tsy mba hain'ity nofo-ntsika ity atao ny manao ny "TSARA" satria efa manana natiora manohitra ilay fahatsarana avy @Andriamanitra izy. Fa ny Fanahy Masina no mahatonga antsika handeha hizotra ho any @Andriamanitra Jehovah Tompon'izao rehetra izao & mahatonga antsika hiaiky heloka ary mahatonga hetaheta Fahatsarana (dia Fiainana miaraka @Andriamanitra) ny Fanahy MASINA.

Raha tsorina izany dia izao, Ny Fanahy Masina no manova ny tantaram-piainantsika ho ao@Ilay Fiainana feno Voninahitra (Fiainan-danitra, Fitahiana, Fahasambarana, Fiainana feno Fahatsaran'Andriamanitra, ...). Ka ny olona tsy manana ny Fanahy Masina dia mbola azo lazaina ho very fanahy mbola velona, satria voafatotry ny fanahy ratsy & ny fandriky ny nofo.

.

"Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filàny; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay." I Jaona 2/17

.

Safidio anio ary izay hiafaranao rahatrizay ary izay tianao hametaka tombokase eo aminao & eo @ fiainanao. Fa safidy ny fiainana ! Ny anjaranay dia ny manoro ny tsara & ny mahasoa hoe Raha hifidy ihany aleo mifidy ny miaraka @ Andriamanitra (tarihan'ny Fanahy Masina) ho ao @Fanjakàny. Satana dia miezaka mamitaka, ataony daholo izao karazam-pandrika rehetra ity entiny hamandrihana ny olona indrindra ireo vahoakan'Andriamanitra, isika vahoaka no mila mieritreritra & mandini-tena lalina !

.

Galatiana 5/19

"Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, 21 fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra. 22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, 23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany. 24 Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana. 25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy. 26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona."

.

Izay ny mametraka ny veloma mandrampitafa amintsika fa indro hirahira no omena antsika izao ho vatsy entitsika miatrika ny androntsika mandram-pihavin'i Jesoa Kristy eny @rahon'ny lanitra.

Mitomboa @ Fahatsarana, Fahamasinana, Fahasoavana !

Cédric

.

Clip "Fanahy ô! omeo hery " Eglise évangélique Shine https://www.youtube.com/watch?v=2onUWwnZEzY

.

Clip "Afon'ny Fanahy" DAYVIDE https://www.youtube.com/watch?v=n-BfeMIvwAw

.

Clip "Sarobidy" Vonjy https://www.youtube.com/watch?v=833NNKYzeuY

.

PS:1) * Ho anao vao sambany na vao haingana kely no nahafantatra sy naharay ny mailaka momba ny "TENY SOA AFAFY..." dia manasa anao hihaino ny Hafatra mivantana :

https://www.youtube.com/watch?v=-QVKguq-lic fandraisam-peo " KRISTIANA MANDEHA @FAHAMASINANA ".

.

* Ho fanampiny dia tsidio sy henoy ny " Serasera FACEBOOK : "TENY SOA AFAFY @KRISTIANA" manazava ny fiandohan'ny "TENY SOA AFAFY @KRISTIANA" fandraisam-peo: Cédric Princy

.

2) Raha manam-panirina ianao te- hamaky ny "Teny soa afafy..." teo aloha na hiverina hanao izany dia afaka mijery izany ao@ ny "tranokala ny fiangonana " : www.mihainoa.comxa.com dia ao @ Toriteny.

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :