Overblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog

Clip "Sambatra" VONJY https://www.youtube.com/watch?v=sRCajDuVpL0

.

Clip "Miantso anao Jesosy" Zook Davids https://www.youtube.com/watch?v=A3-SXc-NcXs

.

Clip "Sambatra " Groupe Jacqueline https://www.youtube.com/watch?v=eRR0QXGC9wY

.

"Ka dia tsinontsinona izay mamboly, na izay mandena, fa Andriamanitra Izay mampitombo no izy..... (9) Fa mpiara-miasa amin'Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra hianareo." I Korintiana 3:7-9

.

Ampitomboina @tsika Ny Fahasoavana & Ny fitahiana avy @Andriamanitra Ray- Zanaka ary Fanahy Masina ! Ny Fanahin'Andriamanitra anie hanokatra ny masom-panahintsika eo am-pamakiana ny hafatra.

.

Eto @ity soratra Masina I Kor 3 ity, ny zava-nitranga dia izao, tao @ fiangonana tao Korinto no nitranga ny tantara. Satria moa fomban'ny Apostoly t@ izany ny mandeha manangana "Ministera " (fiangonana) isaky izay toerana itoriany filazantsara, sady asany raha teo izany izay nampanaovin'ny Tompo Jesoa azy. Maromaro ny Mpitandrina, na Apostoly efa nanao asa fitoriana tao Korinto, anisan'izany ry Paoly, Apolosy, ry Kefasy, sns... Ny nahatongavan'ireo tany Korinto tsy hoe hampiditra ireo mpino korintiana ho @anaram-piangonana (religion) fa NY HITORY NY FILAZANTSARA, araka ny baikon'i Jesoa izay mila tsaroantsika Fiangonana ankehitriny koa:

"Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra." Marka 16:15

Arak'izany tsy ny fifikirana @ mpanompon'Andriamanitra izay mitory ny filazantsara na ny fifikirana @ "religion" no zava-dehibe, raha izay no ataonao dia mbola manompo sampy ianao izay ! NY HO MPIANATRY JESOA NO TANJON' ANDRIAMANITRA, ary tsy mijanona eo @hoe "mpianatra " ihany na mpanompony fa mba ny hamonjena antsika hatrany @ Fanjakàny.

Matio 28:19

"koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina".

.

"Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay." Jaona 3/16

.

Azafady indrindra tompoko fa Jesoa tsy nilaza mihitsy hoe mandehana mitory filazantsara ka ataovy miraikitra ao @ "religion" noforoninareo ny olona ! Eto izany ny Tenin'Andriamanitra te hampianatra ahy sy ianao fa tsy ny fifikirana ao @ "religion" no izy, fa sampy izany ! Ny FIFIKIRANA @ JESOA no angatahina @ mino rehetra !

Ka na aiza na aiza ianao no mivavaka, dia izao FIKIRO MAFY JESOA, TANO MAFY NY FANAHY MASINA... ! Azonao atao tsara mihitsy ny manovo fahalalana any @ izay antokom-pivavahana hafa noho ny anao, rehefa hitanao fa azo antoka & mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra ny fampianarany, saingy kosa ho antsika ilay mpandehandeha mpitety antokom-pivavahana dia mila fantarintsika aloha fa tsy fahotàna izany rehefa JESOSY marina NO TADIAVINTSIKA, fa tsy fitahiana na valim-bavaka, tadidio ihany ny Tenin'ny TOMPO ndrao koa isika diso làlana makany @ fiangonan-diso izay tarihan'ireo zanaky ny fahaverezana. Tena mila mitandrina be mihitsy isika mpamonjy "conférence " ara-panahy itony, ilay mpandehandeha mpitety antokom-pivavahana ndrao ho voafandriky satana...

Jaona I 4:1

"Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao."

Na katolika, na protestanta, na evanjelika, na fifohazana, samy misy mpaminany sandoka daholo ary tsy ilaozan'ny zana-tsipiky satana ka MILA MITANDRINA BE ISIKA MBA TSY HO LAVO !

.

=> Tena ilaina noho izany ny manovo fahalalana ara-panahy any ankafa, na famonjena "conférence " ara-baiboly io, na famonjena fotoam-pivavahana, na fihainoana toriteny @ internet. Ary isan'andro, isa-tsegondra izany no tokony atao mandram-pihavin'i Jesosy eny @ rahon'ny lanitra raha tena te-ho voavonjy marina isika, satria izay no atao hoe mihazakazaka ara-panahy... Tadidio fa izay mihazakazaka ara-panahy tsy mijanona ihany no tafavoaka ! Raha kristiana alahady fotsiny ianao aloha izany dia mifona aho fa tsy ampy izany, ary mety mbola ny afobe ihany no anjaranao raha tsy manova famindra ianao.

Te-ho voavonjy ve ianao ? NDAO HIHAZAKAZAKA ARA-PANAHY mandram-pahatongantsika any an-danitra...

Korintiana I 9:24

"Tsy fantatrareo va fa izay mihazakazaka eo amin'ny tany fihazakazahana dia samy mihazakazaka avokoa, nefa ny iray ihany no mahazo ny loka? Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo."

.

Mifamatotra @ fanovoana fahalalana ara-panahy ny fihazakazahana ara-panahy.

"...Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara." Ohabolana 4/7b.

Filipiana 1:9

"Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra".

.

Mandram-pahatonga antsika any an-danitra dia mila manovo fahalalàna & mihazakazaka ara-panahy isika raha tena te-ho any an-danitra marina ary tsy misy fitsaharana na "pause " io fa isan'ora, isan-tsegondra, isa-minitra. Raha tsy izany hihazakazaka ihany isika fa ho potraka eny an-tenatenan-dàlana ka naman'ny resy ihany.

Betsaka ny kristiana rehefa jerena toa mafana fo am-boalohany, mahavita asan'Andriamanitra be dia be, fa mihena am-pitoerana ohatry ny fehan'antitra ny fiainam-panahiny satria variana mionona fotsiny@ fampianarana isak'Alahady & ny fampianaran'ny pasiterany, ka hoe rehefa fampianaran'olon-kafa dia tsy azo raisina, ambarako @ tsika fa na ho ela na ho aingana izany olona izany dia tsy handeha lavitra fa eo an-tenatenan-dalana dia potraka !

Tsy lasa lavitra ny olona manana toe-tsaina tahaka izany, tsy ho lasa lavitra ara-panahy na io ara-bakiteny mihitsy tsy ho tafavoaka @ fiainana !

.

Izay no nahavoa ireo mpino tao Korinto, nanjary tsy Andriamanitra intsony no hitany fa ilay mpanompon'Andriamanitra ka nanjary lasa nivaky indray ny fiangonana: Ny sasany hono an'i Paoly, dia ny sasany an'i Apolosy... !

Manompo sampy ny Fiangonana ! Indrisy, fahaverezana no hiafàrany fa tsy lanitra akory.

.

Ny fiarahana @ Tompo tsy vitany hoe mino an'i Jesosy @ vava fotsiny fa aiza izay asa hanaporofonao izany ?

izany mpanara-dia an'i Jesosy Kristy izany mila manan-karena Tenin'Andriamanitra aloha voalohany indrindra. Tsy "possible " mihitsy ny hoe efa am-polotaonany niarahana t@ Tompo dia mbola Tia anao Jesosy foana no fantany, na ny verset Jaona 3/16. Ary ny fiarahana @ Tompo tsy hoe isaka Alahady ihany , na rehefa alohan'ny hatory & hisakafo. Tsia ! Mandeha @ fahazarana fotsiny ianao raha izay no ataonao ary dia ho potraka an-tenatenan-dalana ihany !

DAVIDA dia ohatra tena azo alaina tahaka raha mbola mpanompon'Andriamanitra tena nifankazatra t@ Andriamanitra no resahina. Tsy takatry ny saina maha-olombelona intsony ny haben'ny hosotra tao @Davida !

Tena nitsiry tao anatiny ny "fanatisme ", tsy fanatisme "religion" fa tena fanatisme an'i Jehovah Andriamanitra ! Ary tena hoe miaraka aminy foana Andriamanitra na aiza na aiza alehany, na inona na inona ataony.

Any ka nisokatra t@ Davida ny fon'i Jehovah ary Jehovah nihaino azy ka nanokatra ny trano fitehirizan-tsoa tao an-danitra (fitahiana) mba ho an'i Davida. Tena hita mihitsy ny fiainan'i Davida hoe fiainan'olona voatahy, ary niseho teo @ fiainany ny voninahitr'Andriamanitra !

Nahery nihazakazaka ara-panahy i Davida ary tsy namelàny raha tsy tonga tany an-danitra Izy, nahita ny tavan'ny Mpamonjiny, nefa voatahy koa tety an-tany ! He izany Fiadanana roa sosona !

Izany koa dia mbola mampianatra antsika fa Andriamanitra rehefa mitahy antsika dia tsy ny fiainana any an-koatra ihany no hampanatenainy na dia tena sarobidy aza izany, fa mbamin'ny fiaina-mandalo ety an-tany koa VOATAHY ! Tsy hoe tsy misy akory ny olana, tena nandalo olana be na i Davida aza, saingy tsy mahasakana ny FITAHIAN'ANDRIAMANITRA tsy hiasa izany. Ary izao no tadidio, fa ny mpihazakazaka ara-panahy na dia mandalo olana aza dia azo antoka tsara fa raha tsy mijanona izy fa mitady an'Andriamanitra foana, dia hamoaka azy ho @ fitahiana telo arivo eny Andriamanitra.

Izany hoe raha mbola eto an-tany isika dia tsy maintsy mandalo olana, any an-danitra ihany no tsy misy "problème". Noho izany, NDAO HIHAZAKAZAKA HO ANY AN-DANITRA E !

.

Mety miatrika olana ve ianao izao ? TOHIZO NY FIHAZAKAZAHANA, aza mijanona mihazakazaka fa ho Mpandresy ianao. Raiso ny Tanan'Andriamanitra izay vonona hitantana anao. ANY AN-DANITRA ISIKA VAO MIJANONA A !

Ity tany izay onenantsika izao ity mantsy no atao hoe tany fihazakazahana. Ary aoka ho fantatrao anio fa ny olombelona rehetra eto @ ity tany ity dia mihazakazaka @ fiainana avokoa, fa ny tanjona tiana hahatongavana no samy manana ny azy: Ao ny mihazakazaka eto an-tany fotsiny tsy mieritreritra izay any an-koatra ka hoe rehefa mety sy "stable" ny fiainany dia ampy azy izay, Tsy ampy anefa izany ary hevi-diso tanteraka. Ny Tontolo @ maha-olombelona mantsy dia voafetra na ny fisainana aza. Ny Tenin'Andriamanitra no aleo hanazava: Marka 8:36 "Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?"

Ao indray ny olona no mihazakazaka ho any @helo mihitsy, maro ny kristiana ihany koa no mihazakazaka ho any @helo koa fa tsy tonga saina ka anio dia hampahatsiaro anao anie Ny Tenin'Andriamanitra. Mety mivavaka ihany izy mba mpino ihany izy saingy tonga @ ilay voambolana hoe kristiana Alahady fotsiny, na kristiana tsindraindray ! Mety tsy ho kristiana koa nefa izy fa tena "jentilisa " (mpanota) tsy misy fangarony ka izy indray aza no mampianatra fomba ratsy ireo mpino kristiana. Ireo dia endriky ivelany ny @ fihazakazahana ho any @helo !

Fa Ny Tena tadiavin'i Jesoa dia ilay KRISTIANA MIHAZAKAZAKA TSARA MIARAKA AMINY, ka na inona na inona tranga misy dia tsy rotitra @ izany izy fa ny fihazakazahana no tohizany, mety mihazakazaka eny @ rano manonja be tampoka, mety mihazakazaka any an-tany foana, fa tsy reraka tsy rotitra izy satria te ho tonga any an-danitra ! Mba ho izany avokoa anie isika rehetra !

Mandalo dingana maromaro ny fihazakazahana ara-panahy, ka tsy maintsy hisy ny fihazakazahana ao anaty olana na tianao na tsy tianao, fa izay mahatoky hatramin'ny farany no hivoaka mpandresy, ka sady mivoaka ho mpandresy mivoaka @ ilay olana no mivoaka ao @ tontolo maha-olombelona dia tsenain'ilay Paradisa fonenan'ny olona masina izany.

.

Ry mpihazakazaka malala ! Mbola vonona hihazakazaka ve ianao sa efa trotraka sahady ? Efa miandry mantsy ny Amboara lehibe dia Ny Fiainan-danitra ilay fiainam-pahasambarana mandrakizay !

Ampahafirin'ny olana nozakain'i Jesoa tety an-tany moa no mba olana kely zakaintsika io ? Jesoa izay niaritra hopa, kapoka marary, fanesoana, fanenjehana, ary nanaiky hatr@ fahafatesana mihitsy aza ! Dia alaivo sary an-tsaina ilay Jesoa izay tsy nanota akory, nanana sezam-boninahitra lehibe tao an-danitra no nandao ny fonenany ka nidina hamonjy ahy & ianao, hisolo voina ahy & ianao. Nidina nanaiky ny hijaly ety @ tany fihazakazahana ! Satria tsarovy fa na i Jesoa koa aza mba nanaiky ny hihazakazaka ety @ tany fihazakazahana mba hitondra ahy & ianao ho any an-danitra raha mino isika !

Fantany mantsy fa mety tsy ho zakan'olombelona ny halaviran-dalana izay nahatonga Azy Tompo hanampy be antsika. JESOA BANJININA ry havana !

.

VAVAKA:

Jesoa Malala ô ! Misaotra Anao t@ fandaozanao ny lapanao masina ka nanekenao ny hihazakazaka ety an-tany mba hanampy anay mpanomponao ny @ fidirana ao @ Fanjakanao. Trotroy izahay Jesoa ô ! Aoka ny Fanahinao hanampy anay ho tonga hatr@ farany. Ianao mahalala ny olana lalovan'ny tsirairay @izao anio izao, ka manjakà ianao Tompo ô ! Ny Anaranao JESOSY KRISTY Ilay Mahery indrindra sady hatahoran'ny fahavalo anie handrava ny kitaotaona rehetra eo @ fiainanay, ny olana rehetra lalovanay na tahaka ny ahoana habehany dia fantatray fa eo am-pelatananao ny manapatapaka izany ary mbola ainao koa ny mitondra anay ho @ fitahiana mahatretrika, tahaka ny nitondranao ireo Zanak'Isiraely fahiny. Mamelà anay ry Tompo ny @ fahalemena izay nahapotraka anay ka mety anankiray @ antony nahatonga izao problema izao. Jesoa ô ! Jereo sy valio ny zandrinao fa mitaraina ! Aoka Tompo ô, tsy hisy na dia iray aza @ ireto olona mamaky izao hafatra izao ireto tsy ho tonga hatr@ farany fa mba hihazakazaka foana anie izahay mandram-pahitànay Anao ao @Lapanao masina ka mandram-pandovanay ny Fanjakanao. Amen

.

Homba antsika mianakavy anie Ny Tompo, ary hotanteraka tokoa anie izany ! Dia hira & dinidinika ihany miampy Tenin'Andriamanitra ihany no entina mamarana ny hafatra anio. Manao veloma anareo @anaran'i Jesoa Kristy Tompo.

Cédric.

.

Hebreo 12:1

"Koa amin'izany, satria misy vavolombelona maro be toy izany manodidina antsika toy ny rahona, dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin'ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin'ny faharetana amin'izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao".

.

Tesaloniana I 5:23

"Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin'ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika."

.

HIRA JESOSY MAMONJY/ Noely 2011 https://www.youtube.com/watch?v=xUENJm_36h0

.

Clip "Ny foko omeko Anao" Eglise Shine https://www.youtube.com/watch?v=YA9YKacwhaI

.

Clip "Tsy resy izany ianao " NY ANTSO FIDERANA https://www.youtube.com/watch?v=lDzofP7v718

.

Emission <La prière- Comment connecter - déclencher la présence de Dieu en priant (Mon Témoignage)> https://www.youtube.com/watch?v=xrPFXUJXEPk

.

PS:1) * Ho anao vao sambany na vao haingana kely no nahafantatra sy naharay ny mailaka momba ny "TENY SOA AFAFY..." dia manasa anao hihaino ny Hafatra mivantana :

https://www.youtube.com/watch?v=-QVKguq-lic fandraisam-peo " KRISTIANA MANDEHA @FAHAMASINANA ".

.

* Ho fanampiny dia tsidio sy henoy ny " Serasera FACEBOOK : "TENY SOA AFAFY @KRISTIANA" manazava ny fiandohan'ny "TENY SOA AFAFY @KRISTIANA" fandraisam-peo: Cédric Princy

.

2) Raha manam-panirina ianao te- hamaky ny "Teny soa afafy..." teo aloha na hiverina hanao izany dia afaka mijery izany ao@ ny "tranokala ny fiangonana " : www.mihainoa.comxa.com dia ao @ Toriteny.

.

3) Efa misy koa ny BLOG ny Mpanompon'Andriamanitra Cédric Princy izay afaka hahitanao ny Fandaharana: cedricprincy.over-blog.com

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :